Tokony ho ohatra ho antsika ny Barea amin'izao vanin'andro diavina izao.
Mampiray ny Malagasy rehetra ny Barea.
Tsy misy kitrano an-trano ny fisafidianana ny mpilalao hiaro ny voninahitr'i Madagasikara : tsy misy fanavakavahana, fa ny talenta, ny traikefa, ny toe-tsaina ary ny toe-pahasalamana ihany no jerena.
Avy amin'ny klioba samihafa izay zatra mifanandrina an-davanandro ireo mpilalaon'ny Barea, nefa rehefa tafaray ry zareo, dia miombom-po tanteraka satria ny soa ho an'i Madagasikara no katsahina.
Ho an'ny taninjanaka !